David's Plans for the Temple
1. And David assembled all the princes of Israel, the princes of the tribes, and the captains of the companies that ministered to the king by course, and the captains over the thousands, and captains over the hundreds, and the stewards over all the substance and possession of the king, and of his sons, with the officers, and with the mighty men, and with all the valiant men, unto Jerusalem.
1. David convoqua à Jérusalem tous les chefs d`Israël, les chefs des tribus, les chefs des divisions au service du roi, les chefs de milliers et les chefs de centaines, ceux qui étaient en charge sur tous les biens et les troupeaux du roi et auprès de ses fils, les eunuques, les héros et tous les hommes vaillants.
1. Ary novorin' i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin' ny Isiraely, dia ny lohan' ny foko sy ny komandin' ny antokony izay nanompo ny mpanjaka araka ny antokony ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy mpitandrina ny harena mbamin' ny fananana rehetra an' ny mpanjaka sy ny zanany, miaraka amin' ny tandapa sy ny lehilahy mahery mbamin' ny lehilahy mahery fo rehetra.
2. Then David the king stood up upon his feet, and said, Hear me, my brethren, and my people: As for me, I had in mine heart to build an house of rest for the ark of the covenant of the LORD, and for the footstool of our God, and had made ready for the building:
2. Le roi David se leva sur ses pieds, et dit: Écoutez-moi, mes frères et mon peuple! J`avais l`intention de bâtir une maison de repos pour l`arche de l`alliance de l`Éternel et pour le marchepied de notre Dieu, et je me préparais à bâtir.
2. "Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an' ny fiaran' ny faneken' i Jehovah sy ho an' ny fitoeran-tongotr' Andriamanitsika, ary efa novononiko izay hoenti-manao azy;"
3. But God said unto me, Thou shalt not build an house for my name, because thou hast been a man of war, and hast shed blood.
3. Mais Dieu m`a dit: Tu ne bâtiras pas une maison à mon nom, car tu es un homme de guerre et tu as versé du sang.
3. Nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an' ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy nandatsa-dra.
4. Howbeit the LORD God of Israel chose me before all the house of my father to be king over Israel for ever: for he hath chosen Judah to be the ruler; and of the house of Judah, the house of my father; and among the sons of my father he liked me to make me king over all Israel:
4. "L`Éternel, le Dieu d`Israël, m`a choisi dans toute la maison de mon père, pour que je fusse roi d`Israël à toujours; car il a choisi Juda pour chef, il a choisi la maison de mon père dans la maison de Juda, et parmi les fils de mon père c`est moi qu`il a voulu faire régner sur tout Israël."
4. "Nefa kosa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nifidy ahy tamin' ny ankohonan' ny raiko rehetra ho mpanjakan' ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanapaka, ary tamin' ny ankohonan' i Joda indray dia ny ankohonan' ny raiko no nofidiny; ary tamin' ny ankohonan' ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin' ny Isiraely rehetra."
5. And of all my sons, (for the LORD hath given me many sons,) he hath chosen Solomon my son to sit upon the throne of the kingdom of the LORD over Israel.
5. Entre tous mes fils-car l`Éternel m`a donné beaucoup de fils-il a choisi mon fils Salomon pour le faire asseoir sur le trône du royaume de l`Éternel, sur Israël.
5. Ary tamin' ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen' i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin' ny sezafiandrianan' ny fanjakan' i Jehovah hanjaka amin' ny Isiraely.
6. And he said unto me, Solomon thy son, he shall build my house and my courts: for I have chosen him to be my son, and I will be his father.
6. "Il m`a dit: Salomon, ton fils, bâtira ma maison et mes parvis; car je l`ai choisi pour mon fils, et je serai pour lui un père."
6. Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
7. Moreover I will establish his kingdom for ever, if he be constant to do my commandments and my judgments, as at this day.
7. J`affermirai pour toujours son royaume, s`il reste attaché comme aujourd`hui à la pratique de mes commandements et de mes ordonnances.
7. Ary koa, hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko izy tahaka ny amin' izao anio izao.
8. Now therefore in the sight of all Israel the congregation of the LORD, and in the audience of our God, keep and seek for all the commandments of the LORD your God: that ye may possess this good land, and leave it for an inheritance for your children after you for ever.
8. Maintenant, aux yeux de tout Israël, de l`assemblée de l`Éternel, et en présence de notre Dieu qui vous entend, observez et prenez à coeur tous les commandements de l`Éternel, votre Dieu, afin que vous possédiez ce bon pays et que vous le laissiez en héritage à vos fils après vous à perpétuité.
8. Ary ankehitriny, eto anatrehan' ny Isiraely rehetra, fiangonan' i Jehovah, sy eto anatrehan' Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didy rehetra an' i Jehovah Andriamanitrareo mba hahatananareo ity tany soa ity, sady hamelanareo ho lovan' ny zanakareo mandimby anareo mandrakizay izany.
9. And thou, Solomon my son, know thou the God of thy father, and serve him with a perfect heart and with a willing mind: for the LORD searcheth all hearts, and understandeth all the imaginations of the thoughts: if thou seek him, he will be found of thee; but if thou forsake him, he will cast thee off for ever.
9. "Et toi, Salomon, mon fils, connais le Dieu de ton père, et sers-le d`un coeur dévoué et d`une âme bien disposée, car l`Éternel sonde tous les coeurs et pénètre tous les desseins et toutes les pensées. Si tu le cherches, il se laissera trouver par toi; mais si tu l`abandonnes, il te rejettera pour toujours."
9. "Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin' ny fo tanteraka sy amin' ny saina mazoto; fa Jehovah dia mandinika ny fo rehetra ary mahalala ny fisainan' ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia ho hitanao Izy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay."
10. Take heed now; for the LORD hath chosen thee to build an house for the sanctuary: be strong, and do it.
10. Considère maintenant que l`Éternel t`a choisi, afin que tu bâtisses une maison qui serve de sanctuaire. Fortifie-toi et agis.
10. "Koa mitandrema ankehitriny; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà."
11. Then David gave to Solomon his son the pattern of the porch, and of the houses thereof, and of the treasuries thereof, and of the upper chambers thereof, and of the inner parlours thereof, and of the place of the mercy seat,
11. David donna à Salomon, son fils, le modèle du portique et des bâtiments, des chambres du trésor, des chambres hautes, des chambres intérieures, et de la chambre du propitiatoire.
11. Ary Davida nanome an' i Solomona zanany ny sarin' ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efitrano ambony sy ny efitrano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
12. And the pattern of all that he had by the spirit, of the courts of the house of the LORD, and of all the chambers round about, of the treasuries of the house of God, and of the treasuries of the dedicated things:
12. Il lui donna le plan de tout ce qu`il avait dans l`esprit touchant les parvis de la maison de l`Éternel, et toutes les chambres à l`entour pour les trésors de la maison de Dieu et les trésors du sanctuaire,
12. "Ary ny sarin' izay rehetra efa niseho tamin' ny fanahiny, dia ny an' ny kianjan' ny tranon' i Jehovah sy ny efitrano rehetra manodidina azy, ny rakitry ny tranon' i Jehovah sy ny rakitry ny zavatra nohamasinina;"
13. Also for the courses of the priests and the Levites, and for all the work of the service of the house of the LORD, and for all the vessels of service in the house of the LORD.
13. et touchant les classes des sacrificateurs et des Lévites, tout ce qui concernait le service de la maison de l`Éternel, et tous les ustensiles pour le service de la maison de l`Éternel.
13. Ary ho an' ny antokon' ny mpisorona sy ny Levita koa, sy ho an' ny asan' ny fanompoana rehetra ao an-tranon' i Jehovah ary ho an' ny fanaka rehetra hoenti-manompo ao an-tranon' i Jehovah.
14. He gave of gold by weight for things of gold, for all instruments of all manner of service; silver also for all instruments of silver by weight, for all instruments of every kind of service:
14. "Il lui donna le modèle des ustensiles d`or, avec le poids de ce qui devait être d`or, pour tous les ustensiles de chaque service; et le modèle de tous les ustensiles d`argent, avec le poids, pour tous les ustensiles de chaque service."
14. "Nomeny ny lanjan' ny volamena hanaovana ny zavatra amin' ny volamena sy ny fitaovana rehetra amin' ny karazana fanompoana rehetra; an-danjany koa ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy rehetra, amin' ny fitaovana rehetra isan-karazany amin' ny fanompoana;"
15. Even the weight for the candlesticks of gold, and for their lamps of gold, by weight for every candlestick, and for the lamps thereof: and for the candlesticks of silver by weight, both for the candlestick, and also for the lamps thereof, according to the use of every candlestick.
15. "Il donna le poids des chandeliers d`or et de leurs lampes d`or, avec le poids de chaque chandelier et de ses lampes; et le poids des chandeliers d`argent, avec le poids de chaque chandelier et de ses lampes, selon l`usage de chaque chandelier."
15. Ary ny lanjan' ny volamena hanaovana ny fanaovanjiro volamena sy ny lela fanaovanjirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan' ny volafotsy hanaovana ny fanaovanjiro volafotsy sy ny lela fanaovanjiro araka ny fombany avy,
16. And by weight he gave gold for the tables of shewbread, for every table; and likewise silver for the tables of silver:
16. "Il lui donna l`or au poids pour les tables des pains de proposition, pour chaque table; et de l`argent pour les tables d`argent."
16. "Ary an-danjany no nanomezany ny volamena ho an' ny latabatry ny mofo aseho, ho an' ny isan-databatra; ary toy izany ny volafotsy ho an' ny latabatra volafotsy."
17. Also pure gold for the fleshhooks, and the bowls, and the cups: and for the golden basons he gave gold by weight for every bason; and likewise silver by weight for every bason of silver:
17. "Il lui donna le modèle des fourchettes, des bassins et des calices d`or pur; le modèle des coupes d`or, avec le poids de chaque coupe, et des coupes d`argent, avec le poids de chaque coupe;"
17. "Ary koa ny volamena madio ho an' ny fitrebika sy ny tsangambava sy ny kaopy ary ny tavin-drano volamena dia nomeny an-danjany ny volamena ho an' ny isan-tavindrano; ary toy izany koa, an-danjany ny volafotsy ho an' ny isan-tavin-drano volafotsy;"
18. And for the altar of incense refined gold by weight; and gold for the pattern of the chariot of the cherubims, that spread out their wings, and covered the ark of the covenant of the LORD.
18. et le modèle de l`autel des parfums en or épuré, avec le poids. Il lui donna encore le modèle du char, des chérubins d`or qui étendent leurs ailes et couvrent l`arche de l`alliance de l`Éternel.
18. Ary an-danjany ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny volamena ho an' ny sarin' ny kalesin' ny kerobima izay mamelatra ny elany ka manaloka ny fiaran' ny faneken' i Jehovah.
19. All this, said David, the LORD made me understand in writing by his hand upon me, even all the works of this pattern.
19. C`est par un écrit de sa main, dit David, que l`Éternel m`a donné l`intelligence de tout cela, de tous les ouvrages de ce modèle.
19. Izany rehetra izany, hoy Davida, dia nampahafantarin' i Jehovah ahy tamin' ny soratra tamin' ny tanany teo amiko, dia ny asa rehetra amin' izany sary izany.
20. And David said to Solomon his son, Be strong and of good courage, and do it: fear not, nor be dismayed: for the LORD God, even my God, will be with thee; he will not fail thee, nor forsake thee, until thou hast finished all the work for the service of the house of the LORD.
20. "David dit à Salomon, son fils: Fortifie-toi, prends courage et agis; ne crains point, et ne t`effraie point. Car l`Éternel Dieu, mon Dieu, sera avec toi; il ne te délaissera point, il ne t`abandonnera point, jusqu`à ce que tout l`ouvrage pour le service de la maison de l`Éternel soit achevé."
20. "Ary hoy Davida tamin' i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy, ambara-pahavitanao ny asa rehetra momba ny fanompoana ho an' ny tranon' i Jehovah."
21. And, behold, the courses of the priests and the Levites, even they shall be with thee for all the service of the house of God: and there shall be with thee for all manner of workmanship every willing skilful man, for any manner of service: also the princes and all the people will be wholly at thy commandment.
21. "Voici les classes des sacrificateurs et des Lévites pour tout le service de la maison de Dieu; et voici près de toi, pour toute l`oeuvre, tous les hommes bien disposés et habiles dans toute espèce d`ouvrages, et les chefs et tout le peuple dociles à tous tes ordres."
21. "Ary indro ny antokon' ny mpisorona sy ny Levita dia homba anao hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon' Andriamanitra; ary homba anao izay rehetra olona mahay manao zavatra an-tsitrapo amin' ny karazana fanompoana rehetra; ary koa ny mpifehy sy ny vahoaka rehetra hankatò tanteraka ny didinao."